Mitsipaka : Mitsipaka ny fivoizana fa nahazo fankatoavan’ny Firenena Mikambana ny fitondrana tetezamita i Radanoara Julien, mpahay momba ny fifandraisana iraisam-pirenena. Tsy midika ho fankatoavana, hoy ity farany ny fandefasana fanasana ho an’i Madagasikara izay nomarihiny fa nisy foana hatramin’izay. Nomarihina ihany koa fa ny fankatoavana ny firenena malagasy dia tsy midika ho fankatoavana ny governemanta misy ao aminy. Namaranany ny teniny moa ny hoe : mbola baraingo hatreto na ho afaka handray fitenena amin’ny fivoriana io ny filohan’ny FAT na tsia.
Alzeria : Herisetra no nasetrin’ireo tanora marobe any Alzeria ny fiakaran’ny vidim-piainana tato anatin’ny andro vitsivitsy. Tanora 40 isa no indray nanimba tranom-bary iray ny faran’ny herinandro teo tao anatin’ny in-dray mipi-maso monja. Tsy latsa-danja tamin’izany ny fifamaliana nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpitandro ny filaminana izay niafara tamin’ny fifandonana mihitsy. Marihina fa olona iray no namoy ny ainy ny sabotsy teo raha am-polony no naratra mbola vokatry ny fihetsiketsehana ihany.
Côte d’Ivoire : Noroahin’i Laurent Gbagbo hiala tsy hiasa ao Côte d’Ivoire, firenena iadidiany, intsony ny masoivohon’i Canada sy Grande Bretagne miasa sy monina any an-toerana. Valifaty noho ny fandroahan’ireto firenena roa ireto ny masoivoho Ivoariana napetrak’ity filoha ity tany an-toerana no voalaza fa anton’izany. Mitsipaka izao fandroahana atao azy izao moa ny masoivohon’i Canada raha mamono sofina ary tsy mandray baiko afa-tsy amin’i Alassane Ouattara irery ihany ny masoivohon’i Grande Bretagne. Eo andanin’izay kosa dia mitovy ny fanaovan’ny firenena Amerikanina ankivy ny harenan’i Laurent Gbagbo mivady.
Saribao : Miaka-bidy sahady na dia mbola tsy iraisan’ny rehetra aza ny arina fandrehitra na saribao. Tafakatra 12.000 Ar ny iray gony raha 10000 Ar teo aloha. Noho fiavian’ny ranon’orana ka mamono ny afo manamasaka ny hariva sy noho ny haratsian’ny lalana itaterana ny entana amin’ny ankapobeny no antony nahatonga io fisondrotam-bidy io araka ny fanazavan’ny mpivarotra iray.
Delestazy : Nampitaraina ny mponina tao Andohatapenaka ny delestazy nihatra tamin’izy ireo nanomboka ny zoma hariva lasa teo. Noho ny fahasimban’ny fitaovana izay tsy lavitra akory ity Fokontany ity no voalaza fa antony nahatonga izany. Niaina tao anatin’ny haizina ny mponina vokatr’izany izay tsy nifarana raha tsy omaly alahady hariva.
Nitombo : Nitombo ny vola azo tamin’ny hetra niditra teo anivon’ny Kaominina an-drenivohitr’i Toamasina I nanomboka ny tapaky ny taona 2010 lasa teo. Tafakatra 47 tapitrisa Ar izany araka ny vaovao voaray raha latsak’izany teo aloha. Mikasika ny fandaniana kosa dia nahenan’ny Kaominina 12,1 % ny vola navoakany tamin’iny taona iny, tafiditra ao anatin’ny politikam-pitsitsiana imasoan’izy ireo.
Vondrom-bavaka Ambohibao : Nanamarika ny faharoa taonany ny Vondrom-bavaka Ambohibao, tarihin’i Mama Olga ny sabotsy. Fotoam-pivavahana lehibe notontosaina tetsy amin’ny Tranom-pokonolona Analakely no nisantaran’ireo mpino ao amin’ity vondrom-bavaka ity ny lanonana, nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo. Efa miparitaka manerana ny Nosy moa ity vondrom-bavaka ity ankehitriny ary tsy manavaka finoana.
Fanatsarana : Roso amin’ny asa fanatsarana ny tanàna ny Kaominina Antananarivo renivohitra ankehitriny. Ankoatra ny fanalana ireo tsikafona etsy amin’ny farihin’Anosy tontosain’ny SAMVA dia roso amin’ny fanamboarana ireo zaridaina ivelan’ny renivohitra ihany koa ny Kaominina. Ny fanarenana ny tany no tena imasoan’izy ireo amin’izao fiandohany izao raha hanomboka tsy ho ela ny fambolena voninkazo.
Faly : Faly noho ny fisian’ny fifandraisana eo amin’ny Ankolafy Telo sy ny antokon’ny fitondrana ny fikambanana Randrana. Na izany aza mbola tafiditra ao anatin’ny tanjona kinendrin’izy ireo ny fanamafisana ny fampihavanam-pirenena izay tsy ho lasa kobaka am-bava fotsiny ihany hoy ihany ny filohan’ny fikambanana ity fa ezahina hapetraka hatreny ifotony mihitsy.
Vidim-bary : Hivoaka rahampitso talata indray araka ny fantatra raha tokony ny zoma lasa teo ny vidim-bary vaovao eny an-tsena taorian’ny fifanarahana nifanaovan’ny fitondrana FAT sy ireo mpandraharaha voakasik’izany. Ho 1180Ar ny iray kilao araka ny fantatra ihany raha efa tafakatra 1500 Ar kosa izany ankehitriny.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.