Tandindomin-doza ireo olona maherin’ny 5 tapitrisa amin’ny toerana miisa 16 mandritra ny fandalovan’ireo rivo-doza manerana ny nosy ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana eto Madagasikara izay hanomboka ny 15 oktobra 2015 izao, raha ny vinavinan’ny Birao nasionaly mikirakira ireo karazana loza.
Efa miomana amin’ny fiatrehana azy io anefa ny Bngrc miaraka amin’ny fandaharanasa manerantany momba ny sakafo sy ireo mpisehatra eo amin’ny lafiny maha olona. Voajery manokana tamin’ireo atrikasa samihafa notohanan’ny departemanta britanika misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena amin’izany ny famonjena ain’ireo mpiara-belona, ireo mety ho fatiantoka ara-piarahamonina sy ara-toekarena ary ny tohana fanarenana ireo tokantrano tena sahirana. Hetsika mifototra betsaka amin’ny fanomezana vahaolana mahomby mamaly ny filana avy hatrany izay tafiditra ao anatin’ilay tetikasa DFID andiany faharoa sahanin’ny Unicef sy ny Pam eto Madagasikara. Efa fantatra avokoa moa ny anaran’ireo rivodoza miisa 26 eritreretina handalo eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Hisantatra izany i Annabelle, anarana avy atsy amin’ny nosy seisela. Fantala sy Piera kosa ny anarana narosontsika avy eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.