Fivilianan-dalana no hifamezivezen’ny fiarakodia mampitohy an’i Vangaindrano amin’i Farafangana vokatry ny fahatapahan-dalana ao amin’ny Pk 20.
Midangana izaitsizy ny fiainana andavanandron’ny mponina any an-toerana. Vidiana lafo ny voatabia sy ny legioma ary ny arina fandrehitra. Miakatra ihany koa ny saran-dalana noho ny fisondrotry ny vidin-tsolika ka sandaina 6.000 ariary ny lasantsy raha 5.000 ariary ny gazoala eny amin’ny varomaizina. Hita ho sahirana manokana ireo fiara vaventy izay tsy afaka mifamoivoy malalaka. Anisan’izany ireo fiarabe mpitatitra solika ho an’ny orinasa Jirama ka nahatonga ny fahatapahan’ny famatsiana herinaratra ao Vangaindrano nanomboka tamin’ny sasakalin’ny alakamisy teo. Miaina ao anaty haizina tanteraka ny mponina amin’izao fotoana izao taorian’ny fandalovan’ny rivodoza « Chedza».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.