Actualités

Valanaretina tazo Mandripaka ankizy maro any Toliara II


  • Alarobia 14 Oktobra 2015

Efa ho tapa-bolana izao, niverina indray ny aretina tazomoka mamono zaza madinika any amin’ny Distrikan’i Toliara II.

 

 Kaominina roa no tena voa mafy, dia Ankililoaka sy Milenake. Raha araka ny taratasy filazana manjo voaray tao amin’ny radio tsy miankina iray any an-toerana dia ankizy 28 no maty ka 8 tao Ankililoaka, 4 tao Ankiliabo, 5 tany Milenaka, 4 ny tao Antranolahatse,  3 tao Ankaraobato ary 2 avy ny tao Andranodehoke sy Antateza. Ny 3 tamin’ireo zaza namoy ny ainy no maty teny amin’ny CSB II.

Anisan’ny mampirongatra haingana ny aretina sy mahabetsaka ny maty ny tsy fananam-bolan’ny ray aman-dreny entina mitsabo ny zanany marary. Manampy trotraka izany ihany koa ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny fanafody eny amin’ny tobim-pahasalamana.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT