Actualités

Valan-javaboaharin’Ankarafantsika Ala an-jatony hekitara ravan’ny afo


  • Alatsinainy 30 Septambra 2019

Manodidina ny 572 ha no voalaza fa may tao amin'ny valanjavaboahary Ankarafantsika teo anelanelan'ny 12 hatramin'ny 19 septambra teo, raha ny vaovao niparitaka.

 

 

Misy ny ezaka famonoana afo ataon’ny mpamonjy voina, ny zandary ary ny mponina saingy mbola tsy voafehy ny afo hatramin'izao, hoy ny resaka nandeha hatramin’ny omaly. Niparitaka avy eo ny resaka nataon’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo (avy tao amin’ny kaonty facebook azy manokana io ka maro no tsy nahalala), fa araka ny tatitra nataon'ny talen'ny Parc Akarafantsika, Atoa Andriambololona Mandimby Heriniaina, dia efa tamin'ny 27 septambra lasa teo no tsy nisy afo nirehitra intsony tany an-toerana, fa tsy araka ny tsaho aely mba hilazana hoe tsisy ny fandraisana andraikitra. Ampijoroa no nisy afo voalohany ary tao no nisy velaran-tany be indrindra tratran'ny afo, 91ha raha atotaly. Ny 23 ka hatramin'ny 25 septambra no natao ny famonoana ny afo tany ary efa maty tanteraka. Tao Ampombilava kosa dia nisy 2 ha mey ary ny 25 septambra ihany dia maty ny afo, ary Andranobaka nisy 10 ha nolalovan'ny afo ka ny 26 septambra no maty tanteraka. Ireo ihany no toerana nisy ny afo, hoy ny fanazavana. Ny tsy azo lavina dia nisy izany ny fahamaizana sy fahapotehana goavana. Mbola nisy firehetana nanamorona ny RN4, tokony ho 61km tsy hidirana an’i Mahajanga omaly tolakandro. Mihazakazaka ny fahapotehan’ny alas y ny tontolo iainana eto amintsika satria raha ny tatitry ny mpikaroka iray eo anivon’ny CNRE (Centre National de Recherches sur l'Environnement), dia ny 44% amin’ny ala teto Madagasikara no ripaka tao anatin’ny 60 taona. Tsy ny ala ihany no ripaka mazava ho azy fa miara-levona aminy zava-boahary toy ny biby miaina ao anatiny. Vao mainka mihazakazaka ny fahapotehana ateraky ny loza, ankoatra ny fandripahana ateraky ny trafika samihafa. Tsy misy anefa ny tena vahaolana mahomby sy haingana hatreto.

Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT