Actualités

Vaksiny iadiana amin’ny lefakozatra Nanomboka omaly ny andiany fahadimy


  • Talata 13 Oktobra 2015

Notanterahina nanomboka omaly manerana ny Nosy indray ilay hetsika fanaovam-baksiny iadiana amin’ny aretina lefakozatra andiany fahadimy karakarain’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.

 

 Tany amin’ny distrikan’Antsohihy no nanokafana izany tamim-pomba ofisialy, hetsika haharitra dimy andro. Nosafidiana manokana ity distrika ity noho ny fahafantarana fa mbola nahitana ny trangan’aretina lefakozatra tao amin’ny fokontany Analalava, kaominina ambanivohitra Befotaka, distrikan’Antsohihy, Faritra Sofia. Mbola voakasiky ny hetsika avokoa ireo ankizy vao  teraka ka hatramin’ny 15 taona ka hitohy hatrany ny fitetezana sekoly sy ivontoerana maro samihafa ankoatra ny eny anivon’ny tobim-pitsaboana. Raha ny fantatra dia ankizy miisa 11 tapitrisa manerana ny Nosy no ezahina hahazo tombontsoa amin’izany hahafahana mamongotra hatramin’ny fakany ity karazan’aretina iray ity. Anisan’ny manohana akaiky ny hetsika ny Unicef.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT