Actualités

Vahoakan’Antsirinala Manohitra ny fananganana “Pylône” ao an-tanŕna


  • Alatsinainy 10 Aprily 2017

Nampisavorovoro ny mponina ao amin'ny fokontany Antsirinala, kaominina Ambohibary, distrikan'i Moramanga ny fisian’ny tetikasa fananganana andrimby na “pylône” ao an-tanŕna.

Namory ireo fokonolona sy ny tompon’andraikitry ny orinasa teo an-tokotanin'ny biraom-pokontany ny 5 aprily teo, nanazavana ny antom-pijoroan'ity “pylône” ity saingy tsy nanaiky ireo vahoaka tonga teo fa ny hanesorana avy hatrany ny fotodrafitrasa no notakian'izy ireo. Mitsipaka ny hitoeran'io fotodrafitrasa io ihany koa ireo mpandala ny fomban-drazana noho ny fanotorana sy famefena ny tsangambato hajain'izy ireo. Anisan'ny nanamafy orina ny fitakian'ireo vahoaka izany. Niezaka ny hanamboatra ny sain'ireo mponina ny tompon'andraiki-panjakana tonga teo saingy niafara tamin'ny tabataban'ny olona. Rehefa izay dia nanao fanambarana ny Ben'ny tanàna fa haato vonjimaika ny asa rehetra. Nisy anefa ireo komity najoro handinika ny raharaha ka ahitana ny avy eo amin'ny fokonolona sy ny mpitondra ary ny orinasa. “Pylône” manana haavo 40 metatra no hajoro. Tamin'ny 22 novambra 2016 no nahazo ny fahazoan-dalana hananganana ny fotodrafitrasa ny orinasa. Fifanarahan'ilay orinasa sy ny tompon'ilay tany no nentina nanatanterahana ny asa, tsy nisy fierana na fakana ny hevitr'ireo fokonolona, ka izay no niteraka ny olana. Ny 23 novambra 2016 dia efa nanao fanohanana ireo fokonolona dia izao mbola nitohy izao.

 

Nangonin’i Jean D.

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT