Anisan’ny nizaka mangidy ny mponin’Antsakabary tamin’ity taona ity. Loza telo nisesy izao no nahazo azy ireo.
Tsy nikombona akory ny ferin’ny fahamaizan’ny tanàna sy ny herisetra natao azy ireo fony hoentina hotsaraina tany Antsohihy ka nampandehanana azy ireo dia an-tongotra 90 km niampy daroka sy fampijaliana nataon’ny mpitandro filaminana, dia mbola nizaka ny tsy eran’ny aina ihany koa iny faritra iny tamin’ny fandalovan’ny rivodoza « Enawo ». Ankoatra ny tsy manan-kialofana sy ny fahamaizan’ ny tanàna dia niaritra ny rivodoza koa tany Befandriana. Takon’ny fahavoazana manerana an’i Madagasikara, indrindra ny tany Atsinanan’ny nosy toa an’i Maroantsetra sy Antalaha ny fahorian’ny vahoakan’Antsakabary.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.