Actualités

Vahoakan’Andranomanelatra Maniry ny hisokafan’ny Tiko


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2015

Maniry mafy ny hisokafan’ny Tiko indray ny vahoakan’Andranomanelatra, hoy ny ben’ny tanŕna vaovao Rasolofondramaria Andriamiarisoa Raymond Emile. Miankina tanteraka amin’ny famatsiam-bokatra sy ronono ity orinasa Malagasy 100% ity mantsy ny ampahany betsaka amin’ny vahoaka eto anivon’ity kaominina ambanivohitra efa tokony ho renivohitra ity.

 

 Nanamafy rahateo ireo mponina any an-toerana fa maro amin’ny tokantrano na fianakaviana no mikorosy fahana ny fari-painany izay miantraika ihany koa amin’ny harinkaren’ny fiarahamonina ao an-tanàna. Mangataka sy mampirisika ny fitondram-panjakana ireto valala tsy mandady harona ireto mba hanafaingana ny fanokafana ity orinasa Malagasy mpanangom-bokatra mamelona mpiasa anjatony maro mivantana miaraka amin’ireo tantsaha mpamokatra marobe mpiara-miasa amin’ny Tiko. Afaka mampiantrano omby vavy be ronono 5.000 ny toeram-pambolena sy famokarana mirefy 50 ha ao Andranomanelatra ny saingy 50 sisa izy ireo ankehitriny. Nandray ronono hatrany amin’ny 75.000 litatra isan’andro sy voankazo toy ny voasary, mananasy, paoma ary garana milanja 200 taonina isan-taona kosa ny ozinina mpamokatra.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT