Actualités

Vahoakan’Ambohimanarina Nitondra am-bavaka ireo sedra sy vokatra tsara niotazana


  • Talata 18 Aprily 2017

Niara-niombom-bavaka fisaorana an’Andriamanitra tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kritsy eto Madagasikara Ambohimanandray Filadelifia ny sabotsy teo ny solombavambahoakan’i Madagasikara

 

Rasoanoromalala Horace sy ireo mpiara-miasa rehetra niaraka tamin’ny vahoakan’Ambohimanarina. Lohahevitra nofinidy noho ireo zavatra vita sy kinasa ao amin’ny boriborintany faha-6 ny «Misaora amin’ny zavatra rehetra» ao amin’ny Tesaloniana I, 5 : 18a izay mifanindran-dalana amin’ny iraky ny FJKM dia ny hoe «Vontosy Filazantsara ny nosy Madagasikara». Nandalo sedra tokoa ireo fokontany 31 ao amin’ny distrika faha-6 fa nioty vokatra tsara ihany koa amin’ny ankapobeny raha tsy hilaza afa tsy ny lafiny fambolem-bary izay mampiavaka ity faritra ao anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ity. Fotoana ihany koa anefa namoahana ireo mpianatra miisa 51 nahavita fiofanana zaitra, informatika, fahandroan-tsakafo ary zaridaina. Tetikasa fampandrosoana iray izy io fitsinjovana ny sosialim-bahoaka nosantarin’ny depiote voafidy ao an-toerana nanomboka tamin’ity taona ity.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT