Actualités

Vahoaka Malagasy Maika sy dodona amin’ny tena fampandrosoana


  • Talata 21 Oktobra 2014

Herinandro katroka anio no nigadona teto an-tanindrazana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Herinandro izay no nakana an-keriny azy tao amin’ny trano fonenany sy nitazonana azy lavitry ny ankohonany sy ireo mpiara-dia aminy any amin’ny tapany avaratry ny Nosy eo am-piandrasana ny fanapahan-kevitra matotra horaisin’ny fanjakana mahefa tarihin’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery

Dingana tsy maintsy lalovan’ny firenena ahatongavana amin’izany ny fanatanterahana ny tena fampihavanana eo amin’ny samy Malagasy. Efa nanambara ampahibemaso ny heviny mivantana momba ny fiainam-pirenena moa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana vantany vao tonga teto Madagasikara. Azo fintinina ao anatin’ny lohahevitra efatra goavana izany dia ny fahavononany hampandroso ny vahoaka ao aminy, ny fitoniana sy ny fahamarinam-pototry ny firenena, ny fahamarinana miaraka amin’ny fampihavanam-pirenena ary ny fahafahan’ny mpiray tanindrazana haneho hevitra. Ny tsapa sy tsikaritra eny anivon’ny fiarahamonina aloha dia efa tena dodona amin’ny tena fampandrosoana ny vahoaka efa sempotry ny fahasahiranana vokatry ny krizy lavareny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT