Efa tena latsaka anaty hantsan’ny fahantrana ny firenena ankehitriny ka nanao fanairana ny fanjakana handray andraikitra ny Firaisamonim-pirenena KMF-CNOE omaly.
Ambaran’ity vovonana ity fa miha mitombo hatrany ny olana ara-tsosialy eto amintsika. Manaporofo izany ny fitomboan’ny vahoaka matory amoron-dalana ankehitriny, raha ny tatitra nataon-dRtoa Rasoamalala Patricia, Sekretera jeneralin’ny KMF-CNOE. Tsy mahagaga raha maro ny fitakiana eto amin’ny firenena toy ny ara-tsendikaly raha ny fanehoan-keviny. Tsy tafapaka any amin’ny isam-batan’olona izany fampandrosoana izany ka tokony jerena akaiky. Ny 56% amin’ny Malagasy no efa tena miaina ao anaty fahantrana lalina, hoy izy. Tsy misy afa-tsy 20% no manana fiahiana ara-tsosialy eo anivon’ny CNaPS. Toy ny tsisy fanjakana intsony eto satria na ireo olom-boafidy toy ny solombavambahoaka aza tsy mijery ny vahoakany akory. Volabe no afafin’ny fanjakana amina fandraisana fivoriana iraisam-pirenena kanefa ny vahoaka mijaly tsy misy mpijery sy mpihaino.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.