Actualités

Vahoaka Malagasy Hozanahan’ireo mpanambola vahiny


  • Alakamisy 13 Aprily 2017

Tsy rariny intsony ny zava-misy eto Madagasikara. Potika sy rava tanteraka ny fiarahamonina Malagasy.

Tsy mipetraka intsony ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka entina. Mihamahazo vahana ny fahatezeram-bahoaka ary manomboka mifamono ny samy Malagasy izay atahorana hivadika ho ady an-tranon’ny mpiray tanindrazana, hoy ny mpitarika ny «Emergence Madagascar», Holijaona Raboanarijaona. Tsy vitan’ny mpisehatra politika irery anefa ny famerenana amin’ny laoniny ny hasin’ny firenena Malagasy izay variana fotsiny mihazakazaka haka ny fahefana. Mila mivondrona ny Malagasy ka fotoana izao hanatanterahana ny fampihavanana tena izy hitsinjovana lavitra ny ho avin’i Madagasikara. Tokony hijoro avokoa ireo antoko politika, fikambanana sy hery velona rehetra eto amin’ny firenena hifampidinika ireo tanjona sy vina fampandrosoana maharitra ny fiarahamonina eto Madagasikara. Mandady rahateo ny trambo satria maka toerana tsikelikely ireo vahiny mpanambola. Hofehezin’izy ireo ny vahoaka Malagasy ary hozanahiny mihitsy raha tsy misy ny fandraisana andraikitra, hoy ity mpikambana ao amin’ny vovonana «Mitsangana Ry Malagasy» ity.

Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT