Actualités

Vahoaka Malagasy Dodona amin’ny tena fampandrosoana


  • Talata 21 Oktobra 2014

Herinandro katroka omaly no nigadona teto an-tanindrazana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Herinandro izay no nakana an-keriny azy tao amin’ny trano fonenany sy nitazonana azy lavitry ny ankohonany sy ireo mpiara-dia aminy any amin’ny tapany avaratry ny Nosy eo am-piandrasana ny fanapahan-kevitra matotra horaisin’ny fanjakana mahefa tarihin’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery

Dingana tsy maintsy lalovan’ny firenena ahatongavana amin’izany ny fanatanterahana ny tena fampihavanana eo amin’ny samy Malagasy. Efa nanambara ampahibemaso ny heviny mivantana momba ny fiainam-pirenena moa ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc fantany vao tonga teto Madagasikara. Azo fintinina ao anatin’ny lohahevitra efatra goavana izany dia ny fahavononany hampandroso ny vahoaka ao aminy, ny fitoniana sy ny fahamarinam-pototry ny firenena, ny fahamarinana miaraka amin’ny fampihavanam-pirenena ary ny fahafahan’ny mpiray tanindrazana haneho hevitra. Ny tsapa sy tsikaritra eny anivon’ny fiarahamonina aloha dia efa tena dodona amin’ny tena fampandrosoana ny vahoaka efa sempotry ny fahasahiranana vokatry ny krizy lavareny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT