Actualités

Vahoaka malagasy Andrasana hanao dingana lehibe


  • Alakamisy 10 Novambra 2016

Lesona ho an’izao tontolo izao ny fifidianana sy ny vokany tany Etazonia omaly iny.

 Taratra ireny fa tsy voatery hitombina hatrany ny kajikajy politikan’izay rehetra heverina ho be vinany ka hihevitra fa ny fahefana rehetra dia eo am-pelatanan’izy ireo hatrany. Fifidianana revolisionista no azo hamehezana iny nitranga tany amin’ny Bekintana iny. Nifidy avokoa hatramin’ireo izay noheverin’ny mpandinika politika, indrindra ireo mpikambana ao anatin’ny antoko demokraty fa tsy ho avy, toy ireo tambanivohitra, ireo amerikanina fotsy hoditra tsy  avara-pianarana. Ny tsy nampoizina dia hatramin’ireo mainty hoditra izay nanohana ny filoha teo aloha Barack Obama aza dia nizara ihany koa ny safidiny. Anisan’ny teny nataon’ny filoha vaovao Donald Trump ho raiki-tampisaka tao an-dohan’ireto mainty hoditra ireto nandritry ny fampielezan-keviny ny hoe “ahoana no mbola hifidiananareo izay naha tsy an’asa ny dimampolo isan-jatonareo ?”. Mampahatsiahy ilay teny nalaza izany hoe “Sahia manao dingana lehibe” ary dia nahavita iny dingana lehibe iny tokoa moa ny amerikanina ka dia arahabaina. Isika koa andrasana hanaraka ny diany.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT