Actualités

Vahiny mpisetrasetra vahoaka ao Toamasina Voasambotra ihany ny farany


  • Talata 23 Mey 2017

Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana omaly alatsinainy tolakandro ilay teratany frantsay mpisetrasetra sy mpampihorohoro ao an-tanànan’i Toamasina.

 

Velon-tsento sy afa-pahasahiranana ireo olona nataon'ity vahiny ity tsindry hazo lena sy nanamparany ny maha olona tsy refesi-mandidy azy tao anatin'ny taona vitsivitsy izay ka nanome fisaorana an’ireo tompon'andraikitry ny mpitandro ny filaminana isan-tokony. Nahatsapa ny maha zava-dehibe ny soatoavina Malagasy izay nataon’ity vahiny ity tsinontsinona  hatramin'izay ireo mpitandro ny filaminana nanao ny fisamborana, hoy izy ireo. Mbola andrasan'ny mponin'i Toamasina ny hiakaran’ny raharaha tsy ho ela  eny anivon'ny fitsarana, ka irariana ny hahazoany sazy henjana manoloana ny fandrobana fananan'olona, fikasihan-tanana, fanindriana ho mahitahita ary fanaovana tsinontsinona ny mpitandro ny filaminana. Marihana fa ny hetsika mamoafady farany vitan’ity teratany vahiny ity izao dia ny  fandratrana olona mpanao asa sosialy ny zoma lasa teo izay noheveriny fa tokony ho izy no hitarika ny fikambanan'ny mpanao asa soa kanefa hiarahan'ireo mpiray fikambanana, fa tsy sahaza azy io toerana io noho ny laza ratsy ataony. Dia ho sanatria hisy be lamosina sahy hiaro an’ity olona ity indray ve  eo anatrehan'izany ? Fantatra hatreto fa  efa miditra manohy ny asa ratsin-drainy koa ireo zanany mirahalahy ankehitriny. 

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT