Actualités

Vahaolana miteraka olana


  • Alarobia 16 Desambra 2015

Ny vola no maha rangahy, ny vola no hozatry ny fiainana, vao mihetsika dia vola, hoy ny Malagasy, “Time is money” na vola ny fotoana, hoy ny Amerikanina.

 


Ny mpanakanto malaza iray dia nametra-panontaniana anaty tononkira mihitsy nanao hoe : vola ô, hatraiza re no fetran’ny herinao ? Isan-karazany no hamaritan’ny olombelona ny vola sy ny manodidina azy. Tsy iadian-kevitra fa tena ilaina ny vola amin’izao vanin’andro iainantsika izao. Mety ho vahaolana ary mety hivadika ho olana koa anefa ravola. Rehefa ny vola izay no miasa, tsy maintsy lasa mivadika fotsy ny mainty,  ny diso lasa marina, ny jiolahy indray no mitory na eny amin’ny fokontany na any amin’ny toeram-piasana, eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana, any am-piangonana, tonga hatrany amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana dia miasa io vola io ary mahavita zavatra tsy azo eritreretina akory. Atao ny ady amin’ny kolikoly fa toa lasa tetika hahazoana famatsiam-bola fotsiny. Mahalala tsara ny hery miafin’ny vola ny Malagasy ary efa nahatsapa tsara ny voka-dratsiny saingy indrisy fa mitohy hatrany ny asa ratsiny. Ireo manampahefana mihitsy no mampiseho amin’ny vahoaka fa manompo vola izy ireo. Ka rehefa ny mpitarika moa no manondrana, tsy atao mahagaga raha mitrifana koa ny vahoaka entina.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT