Tranga mpiseho amin’ny fiainana andavanandro ihany ny olona efa manambady sy manana tokantrano kanefa manitsakitsaka ny vadiny amin’olon-kafa na lahy io na vavy.
Fa manaitra sy mahavariana kosa izy raha olona noheverina ho raiamandreny mendri-kaja sy voninahitra no manao izany, indrindra raha vehivavy ny tena. Fantatra ary izao fa ramatoa vadina tompon’andraikitra ara-panjakana ambony iray no manitsakitsaka an-drangahy vadiny amina tompon’andraiki-panjakana ambony iray hafa amin’izao fotoana izao. Toy ny tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra. Tsy ho an’ny tompom-bady irery fa na ny fiarahamonina koa aza dia tohina satria olona tsy nampoizina hanao izany no manome ohatra ratsy. Tsy mahagaga raha maro no mimenomenona fa tsy vitan’ity tompon’andraikitra ara-panjakana ity amin’ny ara-dalàna intsony ny asany hay izany no zavatra mahazo azy. Tany aloha tany dia efa niseho koa ny tranga toy izao misy ankehitriny izao, vadina praiminisitra indray no tratra nanana sipa mpanefoefo iray sady mbola tanora moa. Raha ny vaovao re amin’izao fotoana izao dia nisaraka tamin’ny vadiny mihitsy ity praiminisitra teo aloha ity. Hahagaga ve raha toa ka tsy mandroso i Madagasikara ? Izany no hadalan’ny tompon’andraikitra ao aminy !
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.