Hifanome tanana hanampy ireo zanaky ny sahirana ara-pivelomana eto amintsika ny Unicef sy ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar ao anatin’ilay fandaharan’asa “Ndao hianatra”.
Lohalarana amin’izany ireo zazavavy folo ka hatramin’ny 18 taona tsy afaka manohy ny fianarany intsony noho ny tsy fananana sy ireo ankizy mpianatra ao amin’ny kilasy CM2. Mbola tohin’ilay tetikasa Vatsin’ankohonana nandefasam-bola tamin’ny alalan’ny finday ho an’ ireo fianakaviana tena sahirana ara-pivelomana ity fandaharan’asa “Ndao hianatra” ity. Hahazo ihany koa ireo fianakaviana voakasika hahafahana manohana ireo zaza Malagasy tokony hianatra. Tsy vita anefa izany raha tsy ny sehatra maro samihafa no mifanome tanana, hoy Ramatoa Elke Wisch solontena maharitry ny Unicef eto amintsika. Antony nanosika ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar hanolo-tanana izany ka ny fandefasana ny vola any amin’ireo fianakaviana sahirana ireo no andraikitra raisin’izy ireo. Amin’ny alalan’ny Airtel Money no hanatanterahany ny hetsika, tafiditra indrindra ao anatin’ny asa sosialy entiny hanasoavana ny vahoaka Malagasy, hoy i Maxient Bekangba, tale jeneralin’ny Airtel. Haharitra efa-taona ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.