Actualités

TVM sy OMDA Nahazo tale ihany ny farany


  • Alakamisy 10 Novambra 2016

Misimisy ihany ny fanesorana sy fanendrena mpiasam-panjakana sy tompon’andraikitra ambony tao anatin’ny filankevitry ny minisitra notanterahana teny Iavoloha omaly. Ela ny ela ka nahazo mpitantana ihany ny ORTM (Office de la Radio et de la Télévision publique de Madagascar).

 

 Voatendry ho tale jeneraly Atoa Ravoanahary Johariniaina Fanomezantsoa, Johary Ravoajanahary moa no tena ahafantaran’ny maro azy. Mpanao gazety sady mpamokatra fandaharana izy ary efa anisan’ireo ela niasana tao amin’ny TVM. Voatendry ihany koa ny farany ny tale vaovaon’ny TVM dia Atoa Razafimahefa Herinirina Lalao. Fa ny tena hafa kely tamin’ity filankevitry ny minisitra ity dia ny famerenana tamin’ny toerany indray ny talen’ny OMDA Ranjarivo Andriamiharimanana Haja, izay noesorina tamin’io toerany io tamin’ny volana febroary satria nambaran’ny minisitry ny kolotsaina tamin’izany fotoana fa nanao fitantanana tsy mazava. Fomba fiasa mbola manaporofo hatrany ny tsy fahamatoran’ny fitondrana HVM ny tahaka izao.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT