Actualités

TVM Anosy Nodoran’ny miaramila


  • Talata 18 Oktobra 2016

Loza amin’atambo ! Saika may fanindroany indray omaly ny foiben’ny Televiziona Malagasy etsy Anosy.


 Tandrevaka nataon’ny miaramila mpiambina tao, tamin’ny alalan’ny fandorana fako no saika nitera-doza, araka ny fanadihadiana natao. Niitatra nananika ny “studio”-n’ity televizionam-panjakana teo aloha ity mantsy ny afo avy eo nananika ny foiben’ny TVM amin’izao fotoana. May ireo varavarambe sy ny varavarankely tao amin’ilay efitra filazam-baovao teo aloha, ary efa nilelaka ny birao hiasan’ny TVM ankehitriny ny afo saingy voavonjy ara-potoana. Voatery notapahana nandritra ny 15 minitra mihitsy ny fandaharan’ny TVM omaly antoandro vokatr’io hain-trano io, satria dia navotana, nobataina navoaka ny trano ny entana. Niantsoana mpamonjy voina mihitsy na efa nezahina nofehezina aza ny afo. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy fa fitaintainana no betsaka. Tsy maintsy nohatevenina mpitandro ny filaminana kosa anefa ny fiambenana nisorohana ireo mpanararaotra mety handroba indray, toy ny tamin’ny 26 janoary 2009. Vetivety monja dia niely ny feo ary tonga teny amin’ny tambajotran-tserasera fa may indray ny Televiziona Malagasy. Tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany maraina no nitrangan’izany. Tsiahivina fa hiambina no iraka ampanaovina ireo miaramila eo amin’ny Foiben’ny RNM sy TVM Anosy fa tsy handany andro handoro fako. Mila andraisana fepetra ihany ny fanaovana tandrevaka toy izao, fa hamotika fananam-bahoaka.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT