Tsy zakanareo ry Jean ny demokrasia nefa maminareo ny mitaingina seza ! Ampiriatinareo ny olo-maro satria, manakiana isan`andro anareo ve ry ngeza ?
Vao mba eritreritra ny an-dry bandy akama ny ho eny Ambohijatovo mba hitafatafa amin’ny samy mpiray tanàna eto, hifampizara hevitra, hifanakalo vaovao, dia iny ianareo milomay mameno tanàna. Izay no ilazanay hoe tsy zakanareo ry Jean ny demokrasia a ; nefa anie ny Vahoaka no masi-mandidy e ? Ianareo no matahotra ny hikodia, ka ny vavam-bahoaka no tiana hihidy ? Nandinidinika ny zava-misy ihany izahay ry Jean ka tena mahatsapa fa tsy zakanareo ny demokrasia e, sa `nareo efa zatra manao lalam-poza ? Izao, tsy hifampijery arina an-tava isika, ahitsio amin`izay re ny dia, f`efa mananontanona anie izany loza ry Jean e ! Aiza ve dia nakatona, tsy azo ivoriana ny kianja ? Izany very Jean tsy vao mainka hitombo ireo olon-tsy tia e ! Mamerina ihany izahay e, fianarana anie ny demokrasia ry Jean k`aza manampin-tsofina na miala bala. Tsy atao hankarary io na koa hankahia ry Jean, fa rehefa tsy zaka dia `ndeha re miala !
Marco tsy misomonga
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.