Zandary ampy traikefa no mpamatsy basy ary miaramila zazavao amin’ny fanafihana vola mitentina 200.000.000 ariary sy basy ary finday avo lenta no tra-tehaka niaraka tamin’ny dadarabe
tompon’ody iray ary ireo naman’izy ireo telolahy, omaly alakamisy 4 aprily. Nanafika tamin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana mahery vaika teratany Sinoa tany Ambanja izy ireo ny volana febroary ka tany
vangaindrano vao tratra. Tsiahivina fa ny alin’ny 19 febroary teo, tamin’ny 9 ora sy sasany, no nisy jiolahy fito tsy nisaron-tava nirongo kalaky sy basy poleta vita gasy. Niditra an-keriny tao an-tranona
teratany sinoa tao Tanambao V, Ambanja mpanondrana « concombre de mer » izy ireo, nitifitra variraraka im-pito . Voa tamin’izany ny tanan’ilay Sinoa an-kavanana. Lasan’ireto jiolahy ny vola mitentina 200 tapitrisa ariary, ny basim-borona sy poleta ary finday avo lenta roa. Tsy voantso ara-potoana ny polisy. Nandritra ny fitsirihan’ny polisin’Ambanja teny an-toerana no nanangonana ireo vodim-balana kalachnikov 6 latsaka teny an-toerana. Ny 20 febroary tamin’ny 7ora sy sasany maraina, nisy olona roa nandeha moto avy any Ambilobe ho any Ambanja nandalo ny “barrage routier” an’ny polisy eo Ambaliha, RN6, PK30 ka nanaovan’izy ireo fisavana. Saika nitsoaka ny sakana amin’izato kitapo navesatra izy ireo. Naato ary nosavaina ka vola be no tao anatin’ny kitapo. Nandritra ny famotorana tany amin’ny biraon’ny polisy no nanisana an’ireo vola be izay mitentina 32.000.000Ar. Niaiky avy hatrany ilay nitondra vola fa anjarany tamin’ilay fanafihana teratany vahiny tao Ambanja io vola io ary notononiny ireo namany dimy ka tratra. Nohazonina vonjimaika any am-ponja izy ireo. Mbola nisy 6 hafa koa voalaza fa lasa nitsoaka any Vangaindrano ka namoaka filazana fampitadiavana ny kaomisarian’ Ambanja . Ny 28 martsa 2019 teo, noho ny fampitam-baovaon’ny kaomisarian’i Vangaindrano dia tratra tao Andranombaro izy ireo ka niaiky fa naman’ilay iray nitondra volabe tany Ambanja. Miaramila zazavao mpiray tsikombakomba sy zandary
am-perinasa mpamatsy fitaovana ary dadarabe no niaraka tamin’ireo olon-tsotra hafa. Nalefa avy hatrany nihazo an’Ambaja izy ireo hitohizan’ny fanadihadiana sy ny fanenjehana. Ny vola 32 000 000
Ar tratra kosa, efa naverina tany amin’ilay teratany sinoa.
Haja Nirina
Tambajotrana zandary sy miaramila ary dadarabe no niara-miasa tamin’ireo olon-dratsy nanafika sinoa tao Ambanja
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.