Actualités

Tsy voafehy intsony i Maroantsetra Vaky indray ny fonja


  • Alakamisy 11 Aprily 2019

Tsy milamina akory ny raharaha momba ny gidragidra nahafaty olona roa noho ny savorovoron’ny vahoaka sy ny polisy, niampy fahamaizana trano miisa 22 ny takarivan’ny sabotsy 6 aprily teo,

 

 

 dia vaky indray ny fonja ao Maroantsetra. Gadra miisa  6 no tafaporitsaka ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia. Avy be ny orana tamin’io fotoana io izay niteraka fahatapahan-jiro, ka nanaraotra nanendaka ny tafon-trano izy ireo mba hahafahana mandositra. Bodofotsy no nafatopatotra nampifanohizina nahamora ny fiakarana, ary nitsambikina avy eo. Raha ny vaovao vonjimaika, tsy mbola misy voatsara izy enin-dahy. Ny iray aza dia tena efa malaza ratsy amin’ny vono olona satria famonoana mpitsabo mpanampy na “Paramed” no nidirany am-ponja. Efa tafatsoaka ny fonja tamin’ny taona 2017 saingy voasambotra tany amin’ny faritr’i SAVA ary naverina ao am-ponja, kanefa mbola io tafatsoaka io indray. Mandeha ny fikarohana amin’izao. Nohamafisina ihany koa ny fiambenana, sady nanamboatra ny simba. Efa voahodidina zandary ny kaominina manodidina ankehitriny saingy mananosarotra amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy ny tsy fisian’ny sary hahafahana mamantatra azy ireo satria tsy nanome sary ny mpiandry fonja, raha ny vaovao vonjimaika. Re fa atao fanadihadiana ireo mpiambina fonja noho ny ahiahy amin'ny mety ho nisiana tsikombakomba.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT