Actualités

Tsy voafehiny ny tafika Tokony hiala ny CEMGAM


  • Zoma 11 Novambra 2016

Efa nanaiky ny handray an-tanana ny fitsaboana sy fikarakarana ireo olona nambara fa naratra noho ny fifandonana tamin’ny polisy monisipaly ny kaominin’Antananarivo Renivohitra

 

. Hatao ihany koa ny fanadihadiana ny amin’ny tena zava-nitranga marina. Re fa nisy ihany koa fanadihadiana nataon’ny teo anivon’ny etamazaoro jeneralin’ny tafika Malagasy satria nisy ny fidirana an-tsehatry ny miaramila tamin’ity raharaha ity. Mampatahotra ny tranga tahaka izao. Hay ve afaka mivoaka ny toby miaraka amin’ny fitaovam-piadiana na tsy nahazo alalana aza ny miaramila Malagasy e ? Mety tahaka izany koa no hivoahan’ny basy sy ny bala amin’ireo toby miaramila ireo : tsy misy mahita, tsy misy mandre ary tsy misy manakana. Raha ny lôjika farany akaiky indrindra dia sady miala tsiny no mametra-pialana avy hatrany ny Cemgam, ny jeneraly Razafindrakoto Lantoarinjaka. Miaramila amina toby eto Antananarivo Renivohitra aza tsy voafehiny, mainka any amin’ny faritra maro samihafa manerana ny nosy any. Henatra lehibe ho an’ny foloalindahy ny fihetsik’ireo miaramila manodidina ny 60 ny harivan’ny alarobia teo tamin’ny bemidina nataon’izy ireo teny amin’ny lapan’ny tanàna kanefa tsy nahazo “ordre de mission” ara-dalàna izy ireo. Mikorontana noho izany ny fomba fiasa ao amin’ny tafika ao ka tsy afa-miala amin’io ny lehibe. Na nahafantatra ny zavatra nataon’ireto miaramila nitrifana ireto na tsia ny lehibeny dia efa zava-doza foana izany. Tsy mety raha olona taitaitra tahaka ireny no afaka mitazona fitaovam-piadiana mahery vaika satria lasa mivadika ho fampihorohoroana ny fiarahamonina tsotra izao. Ho hita eo izay fanapahan-kevitra hentitra horaisin’ny fitondram-panjakana.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT