Na dia efa iharan’ny kenda roroka ara-politika sy an-kivy iraisam-pirenena aza ny fanjakana ankehitriny dia mbola midingin-drambo sy manapatra ny maha mpitondra tsy refesi-mandidy azy.
Ny mpamatsy vola efa tsy mahatoky intsony noho ny tsy fisian’ny fangaraharana ka mandadilady tanteraka vao mahazo raha hahazo ka aleo mivarotra tanindrazana amin’ny vahiny. Antoko politika isaina amin’ny rantsan-tanana sisa no hany miara-dalana amin’ny fitondrana noho ny fanatosaham-bola ataony. Izao anefa dia mbola manao ny ataony ihany ny mpitondra amin’ny alalan’ny fanaovana antsojay an’ireo tsy mitovy hevitra amin’ny alalan’ny fomba mamohehatra. Tsy nanara-dalàna ny fanaovana latsak’alina tamin’ny fakana kamiao tetsy Anosipatrana kanefa ny mpitondra indray no avo vava. Nalaina an-keriny ny tany tetsy Andohatapenaka izay tsy ara-dalàna fa tamin’ny alalan’ny mikimaky. Izao indray dia solombavambahoaka tsy mitovy hevitra amin’ny tena no nanaovana fomba mamohehitra tamin’ny latsak’alina izay tsy ara-dalàna tanteraka noho ny tsy fisian’ny taratasy sy ny antony mazava ary indrindra mandika ny zo tsy azo enjehina. Mbola manao azy tsy ho tratry aloka ny ankabeazan’ireo mpitondra fanjakana. Raha tsy mandika lalàna tsy fantatra hoe mpitondra eto amintsika.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.