Tsy fanajana sy toetra tsy mendrika tamin’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy sy ireo
mpiara-dia taminy no ambara fa antony goavana nandroahana mpiasan’ny haino aman-jerim-panjakana avy amin’ny ORTM, TVM sy RNM 8 mianadahy, araka ny fanapahana nosoniavin’ny Tale jeneraly vaovao eo anivon’ny ORTM Atoa Belalahy Jean Yves ny talata 23 aprily lasa teo. Tamin’ny 30 martsa 2019 nisian’ilay hetsika “Tagnamaro” fanadiovana ny hopitaly CHD Mahitsy teo ambany fiahian’io minisitera voatonona io no nisehoan’ny tantara. Nisy ampahana mpiasa niditra toeram-pivarotana, ka voalaza fa nisy ny nihinana « composé », nisy nanjifa ranom-boankazo. Nampangaina faobe ho nisotro toaka sy tsy nanaja lehibe izy ireo, dia niafara tamin’ny fandroahana, izay misy vehivavy fa tsy lehilahy avokoa. Mbola ny Tale jeneraly teo aloha Johary Ravoajanahary no tompon’andraikitra voalohany tamin’io fotoana io. Nandeha ny resaka sy ny feo fa ny tsy nanekeny ny fanasoniavana ny fandroahana ireo mpiasa ireo no antony nanesorana azy tamin’io andraikitra io. Raha io toe-javatra io no halalinina dia baiko avy amin’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina izany no nandroahana ireo mpiasa. Tsy fahadisoana arak’asa (faute professionnelle) no nandroahana azy ireo raha dinihina. Mety hitondra ny raharaha amin’ny sehatra ara-pitsarana ireo lasibatra. Misy ihany koa anefa ny loharanom-baovao hafa milaza fa raha mbola teo ny minisitra ary tsy mbola vita ny iraka notontosaina dia tokony ho nifanaja. Mety samy manana ny heveriny fa rariny sy hitsiny ny an-daniny sy ny an-kilany kanefa antony goavana handroahana mpiasa amin’ny asany ve izany ? Tsy azo nalamina ve ? Sao dia efa fanamparam-pahefana ? Andrasana ny tohiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.