Actualités

Tsy misy vola ny fanjakana Mitarazoka ny fanendrena Masoivoho


  • Alatsinainy 25 Aprily 2016

Tsy mbola nanendry masoivohontsika any ivelany na dia iray aza ny fitondrana Rajaonarimampianina tato anatin’ny roa taona sy telo volana nitantanany ny firenena.

Adihevitra be no re etsy sy eroa momba io fitarazohana io. Ny fahita hatrizay anefa dia haingana ny fanovana masoivoho any ivelany vantany vao mijoro ny fitondrana iray vaovao. Etsy an-kilan’izay, lojika ny fanendren’ny fitondrana olona mitovy fomba fijery sy firehana aminy hisolotena ilay firenena any ivelany satria tena politika aloha voalohany ny toerana masoivoho, izay vao ekonomika. Ny minisitry ny raharaham-bahiny Rtoa Atallah Béatrice dia farafahakeliny efa in-telo no nilaza fa maika ny fanendrena ireo ambasadaoro Malagasy any ivelany, asa aloha raha mandre tsara ireny ny filoham-pirenena na manao be marenina. Sa ve efa sinema koa no atao ? Re mantsy fa antony ara-bola no tsy nanendrena ireo masoivoho any ivelany. Efa tena ambivitra koa ny kitapom-bolam-panjakana ka tsy hisy hampiasaina intsony raha mbola hisy ny fanendrena masoivoho vaovao, satria vola be no mivoaka isaky ny masoivoho iray sy ny ekipa hiara-kiasa aminy any ivelany any. Ny masoivohontsika sasany any ivelany anefa manalabaraka fa efa bokan-trosa. Loharanom-baovao iray ary no nahafantarana fa mbola eo am-piketrehana ny fomba hampihenana ny vola mivoaka sy lanin’ireo masoivoho Malagasy any ivelany ny fitondrana foibe ka io koa no mampitarazoka ilay fanendrena. Antony ara-bola izany no olana.Na izany aza mbola manana olana hafa ny filoham-pirenena ka sahiran-tsaina misafidy ireo olona hotendreny. Eo aloha ny lafiny ara-politika, satria mahantra olona ny HVM, raha haka olona hafa firehana anefa amin’ny anaran’ilay hoe : fisokafana ara-politika mety hanahirana ihany. Mbola olana iray goavana ho an’ny filoha Rajaonarimampianina ihany koa ny ankisisika ataon’ireo olona manodidina azy rehefa hisy ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony, samy te hampiditra ny olony mantsy ka misy mihitsy ny mahavita manao ny tsy fanao ao an-dapa ao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT