Asa indray izay angano hambaran’ny mpitondra fanjakana fa raha ny zava-misy dia tsy hamatsy vola na hampindram-bola an’i Madagasikara izany ny FMI sy ny Banky iraisam-irenena.
Midika io fa hikatso koa ny famatsiam-bola avy amin’ireo firenena sy fikambanana iraisam-pirenena hafa. Famatsiam-bola na fanampiana vonjy rano vaky amin’ny fotoan-tsarotra, tahaka ny rivodoza, kere na sanatria loza noho ny valanaretina ihany no ho azon’ny firenena Malagasy. Ny anton’io dia satria tena ratsy tantana ny firenena, izay no mahafintina azy fa raha itarina io dia mbola lava be. Ny mpitondra fanjakana eto no mampanantena tsy misy vahoaka sy manao be resaka fa tsy misy famatsiam-bola ho azo izany eto. Malaza ratsy amin’ny afera maizina ny eto Madagasikara, tsy misongadina ny ezaka ataon’ny fanjakana hampihenana na hanafoanana izany ka io no mampihemotra ireo mpamatsy vola. Asa aloha izay fahagagana hataon’ny fitondram-panjakana fa raha ilay fandaharanasa PND hoe hampandrosoana ny firenena dia efa miesona tanteraka satria sy misy vola e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.