Ny olona ho’aho ry Jean tsy mba misomonga izany rehefa mampihatra lalàna velona fa dia ara-bakiteny ny azy ireo ny fitenenana hoe :
« Na amboako, na amboan’olona rehefa vandana dia kary ». Hitan’ise fa na dia nitady irika mafy niaro tena aza ny fanta-daza efa an-taonany maro nampiroborobo ny taranja baolina kitra eran-tany dia tsy azo nivalozana ny sazy henjana nanamelohan’ny vaomieran’ny etika azy ireo. Na ireo mpanao satroka bory na « Gros bonnet » na mpisatroka inona koa… dia voapaingotra avokoa tsy misy alaharo. Ny resaka andramena kosa aty amintsika, ry sakaiza, dia fantatr’ise fa rehefa may te hahazo toerana ny mpanao politika dia mampanantena volana an-tenda na manao kobaka am-bava fa hoe tsy maintsy hirosoana ny fanenjehana ny olon-drehetra tsy an-kanavaka. Rehefa mby eo amin’ny fiandrianany anefa dia mahita zavatra holazaina sy « hialana ilany » lava izao. Hafa ihany ho’aho ry Jean tsy maty manota e !
Marco tan-dalàna
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.