Tsy mitsitsy intsony ny olona fa avy hatrany dia manao izay saim-pantany manoloana ny fandikana ny lalàn’ny fiarahamonina.
Tsy miandry ny mpitandro ny filaminana sy ny manampahefana intsony fa avy hatrany dia mandray fanapahan-kevitra araka izay saim-patany ka rehefa misy olona tratrany manao ny tsy mety dia izy ireo no manasazy araka izay takatry ny fo sy ny sainy, anisan’izany ny fitsaram-bahoaka. Henjehin’ny lalàna ny fanaovana fitsaram-bahoaka ary heloka tokony hahazoana sazy henjana mihitsy saingy tsy raharahain’ny olona ary tsy matahotra lalàna intsony ny fiarahamonina ka manjaka io fomba io. Efa toerana maro toy ny tany Nosy Be, Vakinankaratra, Moramanga ary iny vao andro vitsy tany Mananjary iny no nahenoana sy nahitana fitsaram-bahoaka izay niafara tamin’ny fandatsahana ain’olona kanefa tsy mahefa na inona na inona ny mpitondra fanjakana. Zary lasa fomba raiki-tapisaka amin’ny fiarahamonina io toe-javatra io saingy tsy misy andraikitra raisin’ny mpitondra fa dia tazanim-potsiny. Midika izany fa tsy masi-mandidy eto amin’ny firenena ny mpitondra ary tsy mahatoky ny tompon’andraikitra toy ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana intsony ny vahoaka. Aiza ho aiza ilay hoe tany tan-dalàna ? Sa any amin’ny resaka politika ihany izany no mandaitra ?
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.