Efa maro ny fitakiana nataon’ny mponina mba hampitsaharana ny fitrandrahana sy hanalana tanteraka ny orinasa sinoa Jiuxing Mines any Soamahamanina saingy toa sarimehitsika no ataon’ny fanjakana sy ity orinasa ity.
Nanao fitakiana ny mponina ny 14 jolay kanefa nosakanana tamin’ny alalan’ny mpitandro ny filaminana nirongo fiadiana sy baomba mandatsa-dranomaso. Namoaka didy fampiatoana vonjimaika ny fitrandrahana ny fanjakana ny 19 jolay saingy nambaran’ny mponina fa tsy voahaja izany ka amin’ny alina indray no mitrandraka ireo sinoa taorian’izay. Nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ady amin’ny habadoana tany Miarinarivo Itasy ny 8 septambra izay nidinan’ny filoham-pirenena tany dia nitondra sorabaventy hanehoana ny fitakiana mba ho hitan’ny filoha ny vahoaka saingy natao savahao sy norahonana ary noterena mihitsy mba tsy hamoaka izany sorabaventy izany mba ho fanajana ny filoha. Mbola nisy ihany ny nahavita nanafina izany ary tafiditra tao amin’ny toerana nanaovana ny lanonana ka nanapoitra ny sorabaventy mba ho hitan’ny filoha saingy toa tsy nisy vidiny tamin’Atoa Hery Rajaonarimampianina. Nohamafisin’Atoa Robinson Pierre mpitarika ny fikambanana Vona fa toa tsy nasian’ny fitondrana tohiny akory ny fanehoan-kevitra nandritra iny fotoana iny ka izao hiroso amin’ny fitakiana mafimafy kokoa izao ny mponina.
NY FANJAKANA NO FOSITRA
Tsy any Soamahamanina ihany no omena vahana ny sinoa fa toerana maro eto Madagasikara no ahitana azy io toa an’i Vohilava, Andranobe Ambatondrazaka, Beanana Amparafaravola, Ambilobe. Maro loatra ny fepetra takian’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena tsy zakan’ny fitondrana ny fanarahana ireo fepetra sy dingana arahina ka ela vao azo ny vola. Ny fanjakana rahateo tsy dia mahazo fitokisana amin’ny mpamatsy vola mahazatra noho ny tsy fisian’ny mangarahara eto amintsika ankehitriny. Tsy mba sarotra kosa ny fepetra apetraky ny sinoa fa rehefa misy tombony ho azy dia hidirany. Hararaotin’ny sinoa ny tsy fahatokisan’ny mpamatsy vola hafa an’i Madagasikara. Ny mpitondra rahateo poritra amin’ny fitadiavam-bola ka na fatiantoka iray lavaka aza dia hidirana satria misy tombontsoa ho azy na dia hita aza fa manapotika ny firenena.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.