Actualités

Tsy maintsy lava izao


  • Alarobia 07 Desambra 2016

Voizina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa ny varotra amin’ny alalan’ny hairaha vaovao izao no malaza dia milaza ireo tompon’andraiki-panjakana fa tsy maintsy miditra amin’izay isika na tsy mahay mamaky teny sy manoratra aza.

Ny rafitra no lazaina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa mety amin’ny fampianarana ambaratonga ambony dia tsy maintsy miditra amin’izay koa isika, hoy ny tompon’andraikitra tandrify, na dia hita miharihary izao aza fa tsy azo antoka ho maharaka izany ny fampitaovana. Mandeha koa amin’izao fotoana ny tsikera fa maro amin’ireo sekoly eto amin’ny firenena no tsy manana dabilio akory dia mbola miziriziry ihany ny eo anivon’ny minisiteran’ireo kilonga madinika fa tsy maintsy isika miditra amin’ny fampianarana hampiasana ireo fitaovana elektronika satria izay no takian’ny fenitra iraisam-pirenena. Dia teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza toy izany hatrany ny zava-drehetra eto na dia hita miharihary fa tsy mifanaraka amin’ny odidim-piainana ao amin’ilay tany. Tsy misy mihitsy ve ny politikam-panjakana manokana hampandrosoana ity firenena ity fa dia tsy maintsy hanara-drenirano toy ireny tsy manana hazondamosina ireny hatrany ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT