Actualités

Tsy maintsy hiseho


  • Talata 01 Martsa 2016

Be loatra ry Jean ny salobokomana ataonareo ao ka sao kenda a ! Tsy hisy takona izay tsy hiseho anie e ! Ary vao mihetsika kely ianareo dia efa ranga koa ny mason’ny olona.


 Inona indray izao ity akamanao mibodo tanin’olona an-kitsirano izao ity fa hoe hanamboatra hotely goavam-be, hono. Sa ireny ilay hoe zarazarao hihinanana ? Ianareo mianakavy no matavy mialohan’ilay fivorian’ny miteny Frantsay amin’ny novambra a ! Ny ataon’i Madama be eny Ivato efa tena raharaha be, izao mbola ampiana an’ity iraikalahy ity indray. Fa ianao ve aloha mba mahara-baovao ihany sa tena tsy asinao sira intsony izay menomenona sy fitarainan’ny olona e ? Ny olona efa tena leo amin’ny hetraketrakareo a ! Aiza ve ka sady bodoina ny tanin’olona, asondrotra daholo izao karazan-ketra rehetra izao. Moramora ihany Jean fa efa misy mandray an-tsoratra ny hadalanareo anie any ho any ka ho sahirana ianareo rahatrizay tsy manam-pahefana intsony e ! Alefa ihany ny ritsoka aloha sao mba mihaino ianareo.

Marco

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT