Actualités

Tsy mahazo miasa ny TIKO Mamaky ady amin-dRavalo ny fanjakana!


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2015

Talanjona sy gaga ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc naharay taratasy fampahafantarana tamin’ny sampandraharahan’ny fananantany ao Antsirabe fa natao antoka tsy azo ampiasaina ireo fananan’ny Tiko rehetra ao anatin’ny faritr’i Vakinankaratra.

 
Efa herintaona izay no niverenan’ny filoha mpanorina ny orinasa «Tena Izy Ka Omeko» teto Madagasikara saingy vao roa herinandro lasa no nandraisany io fampilazana ny tsy fahafahana mamerina amin’ny laoniny sy mampihodina indray ireo ozinina fanamboarana fromazy, ranom-boankazo, menaka sy sakafom-biby miaraka amin’ny fambolena sy fiompiana mahatratra hatrany amin’ny 90 ha mahery ao Antsirabe sy ny manodidina io.

Sasanangy samihafa

Vola tsy voaverin’ny orinasa Fanampy Rice mitentina 18 miliara ariary nentina nanangonana sy namotsiam-bary tany Vodiala tamin’ny taona 2008 tamin’ny tranom-piantohana Aro sy ny Sonapar vokatry ny «Alatsinainy Mainty 26 janoary 2009» no anton’ny nanaovana «hypothèque» ny velaran-tany midadasika ao Antsirabe, araka ny voalazan’ireo antontan-taratasy voarain-dRamose, tapa-bolana lasa izay. Ankoatra ny tsy fisian’ny fifandraisana mivantana amin’ny orinasa Tiko sy ny Fanampy Rice dia tsy noeritreretin’ireo mpitondra tsy ara-dalàna nandritra ny tetezamita ihany koa ny fanaovana kajikajy ny tentim-bidin’ireo sasanangy roa samihafa noterena hifanaraka fotsiny izao ireo.

Tranga maro mampiahiahy

Nahitana trangan-javatra mampiahiahy avokoa ireo toerana fandraharahan’ny vondron’orinasa Tiko toy ny teny Ankorondrano, Andohatapenaka, Antsirabe hatramin’ny fidinana ifotony nijery ny zava-misy nataon’ny filoha mpanorina Ravalomanana Marc izay mbola hitohy any amin’ireo faritra hafa ahitana ireo fotodrafitrasam-pamokarana fananan’ny Tiko hiatrehana ny fanarenana tsy maintsy atao. Efa ho roa herinandro izao no nangataka fihaonana tamin’ny filohan’ny Repoblika i Dada saingy tsy mbola voaray hatramin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Ilaina mazava ny resaka mialoha ny fandraisana fanapahan-kevitra goavana toy ny fanaovana lavanty ny fananan’ny orinasa Tiko ao Antsirabe, hoy ny filoham-pirenena teo aloha.

Fifanarahana lalàna

Voalazan’ny tondrozotra fa efa lasa fifanarahana lalàna ny famerenana tsy misy fepetra ny fananan’ny filoha mpandraharaha rehetra hatramin’ny bitika indrindra. Hiezaka handresy lahatra ny mpitondra fanjakana Malagasy sy ireo mpitantana ny vondrona Sadc, afrikanina ary ny firenena mikambana amin’ny fikaroham-bahaolana mikasika ireo sakana tsy ahafahan’ny orinasa miverina mamokatra ara-dalàna hiteraka asa sy hanarenana ny fiainana ara-toekarem-pirenena Malagasy moa ny tompon’ny orinasa Tiko. Tsy handroso mihitsy anefa ny ekonomia eto Madagasikara raha tsy avela mandray anjara mavitrika eo amin’izany sehatra izany ireo mpandraharaha tsy miankina teratany, hoy i Dada Ravalomanana.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT