Toa lasa resa-jaza izany indraindray ilay raharaham-pirenena rehefa dinihana ny fomba firesaky ny mpitondra sy ny mpanao politika sasany. Mandroso mihemotra amin’ny fanapahan-kevitra, misy ny mandainga tsotra izao, ao ireo efa tompondakan’ny famadihana lela sy palitao, misy koa ny sokajin’ireo be tsy miteny fa ataony namana daholo izay tonga eo amin’ny fitondrana.
Misy no tsy dia hita firy any anaty adihevitra politika fa kosa mandeha be tsy voizina amin’ny fandraharahana sy fanangonan-karena. Fa ny mampitovy azy rehetra ireo dia ny fitiavan-tena sy tsy firaharahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Raha tena nijery tokoa io tombontsoan’ny firenena io ny mpitondra tetezamita sy ny mpitondra misy amin’izao fotoana dia tsy ho tahaka izao ny olana sy fimenomenomana etsy sy eroa, ary efa mba ela no nivory ny « club des amis de Madagascar » ka niverina haingana be ny famatsiam-bola tahaka ny nitranga tamin’ny 2002. Fa ankehitriny kosa dia ny anio no mbola ratsy kokoa noho ny omaly, ary mampivarahontsana ny mety hitranga rahampitso. Mihodinkodina am-pitoerana eo ny rehetra, tsy dia misy ny asa vita, tsy tahotra tsy henatra ny mpitondra manao ho entam-barotra ny fampihavanam-pirenena. Mipoapoaka ny kabary fa hezahana ny hanomezana trano fonenana mendrika ho an’ny Malagasy, mandeha ihany anefa ny fandrodanana ny tranon’ny vahoaka sahirana, fa omena ny Karana ny tany. Mba nisy ihany ny mpitondra, mpanao politika be resaka fa ireto amin’izao fotoana izao ireto kosa dia nanamontsana ny zava-bita rehetra, tsy manam-bola, tsy mahavita asa, tsy mahay mampihavana, tsy mahay mitantana, tsy mahay mihaino vahoaka…tsy mahay n’inoninona e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.