Actualités

Tsy mahatanty resy


  • Zoma 06 Febroary 2015

Mbola nampiseho indray ny tsy fahamatoran’ny mpankafy baolina kitra Afrikanina ny zava-nitranga omaly alina tany Malabo, nanomboka nitoraka sy nanompa ary nila vanona ireo mpanohana ny ekipan’i Guinée équatoriale mpampiantrano rehefa hitan’izy ireo fa nandesy i

 Ghana.Hafahafa be ihany ny fandehan’ny raharaha, naato ny lalao, tonga nanao sidina ambany dia ambany nijery ny zava-misy ny elikopteran’ny mpitandro filaminana, lasa ratsy endrika tanteraka ilay CAN 2015 ary tsy isalasalana intsony ny hanambarana fa afabaraka ny baolina kitra Afrikanina.Esoeson-teny no nataon’ireo mpanao gazety vahiny nitantara ny zava-nitranga, niseho indray ilay endrik’i Afrika miady lava sy mandalo krizy isan-taona…Manahirana ny toe-draharaha tahaka izao, indrindra fa sehatra efa noheverina fa ambony izany hoe lalao ankatoky ny famaranana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika izany.Tsy iadian-kevitra intsony fa dia nanaporofo indray izao tranga izao fa mbola maro ny fanatsarana tokony atao aty Afrika, goavana ny ezaka tsy maintsy atrehana, tena mila miova ny toe-tsaina satria ny tranga tahaka izao no mahatonga ny vazaha tena manambany ny Afrikanina, izay ambara fa mbola olon-dia, tsy mahazaka demokrasia, tsy mahazaka fanakianana ary tsy mahatanty resy !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT