Re amin’ny resaka etsy sy eroa fa toa tsy dia maharesy lahatra sahady ny olona ilay governemanta vao natsangana, samy manana ny fomba fijeriny moa io fa ny azo hamintinana azy ka mety nahatonga io tsy fahatokisana io ny fomba firafitr’ilay governemanta sy ny fahitana fa maro ireo minisitra naverina amin’ny toerany kanefa hita izao fa tsy nahavita azy.Fomba fijery tahaka ny tamin’ny nanendrena ny Dr Kolo Roger ho
praiminisitra izy ity, satria efa maro no nahatsinjo tamin’izany fotoana fa tsy ho lasa lavitra izy ary dia izao niaraha-nahita izao fa tsy nisy ny zavatra nisongadina vitan’ny governemanta, nisavoritaka ambony ambany ny tao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana, ny olona sahirana , tsy an’asa noana…kanefa ny dahalo indray no nanjairana akanjo vaovao sy nomena vola amina miliara.Inoana fa mahafantatra tsara io ahiahin’ny olom-pirenena tsotra io ireo manampahefana ka hiezaka hanao fahagagana, araka ny fomba fiteny mihitsy satria efa tena sahirana ny olona, mafy ny fiantraikan’ny krizy.Tsy voatery hahavita azy ny olona naharitra teo amin’ny toerana iray, ary tsy misy antoka hahafana milaza ihany koa fa mahavita azy ny olom-baovao ; tsy resaka olona fotsiny ny fanarenana ny firenena fa tena miankina amin’ny toe-tsaina sy ny fomba fiasa.Ary ny fitiavan-tanindrazana sy ny faharesen-dahatra hanasoa ny mpiara-belona no solika tsara indrindra hampandroso ny asa rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.