Actualités

Tsy mahafeno fepetra


  • Alatsinainy 08 Desambra 2014

Maro ny zavatra manjavozavo momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny ka mahatonga ny olona miha tsy mahatoky hatrany izao fitondrana mijoro izao. Nipoapoaka mihitsy raha ny kabarin’Atoa Hery Rajaonarimampianina ny 25 janoary 2014, tahaka ireny – filoham-pirenena hanao fahagagana eto Madagasikara izy ary

hahavita hampihavana ny Malagasy. Izy rahateo efa nihambo fa hainy ny mitady vola, dia nihevitra ny maro fa hilamina haingana ny raharaha … Inona akory ny teo, vao niha nahantra aza ny Malagasy, lasan-ko vavany fotsiny ilay fanovana, tsy mbola ho amin’ity taona ity no ampiharina ilay drafi-pirenena ho amin’ny fampandrosoana na PND satria tsy misy ny vola hanatanterahana azy. Mbola mitaky fepetra ny fivoahan’ny famatsiam-bola avy any ivelany. Azo antoka fa tafiditra ao anatin’izany fepetra izany ny fanjakana tsara tantana, ny fanajana ny demokrasia sy ny zon’olombelona ary ny fanjakana tan-dalàna. Raha ireo fotsiny no raisina dia mazava ny resaka fa mila ezaka be izao fitondrana izao vao hahazo famatsiam-bola satria sady tsy hahafahana maneho hevitra an-kalalahana eto, misy fanagadrana tsy ara-drariny, maro ny fandikan-dalàna ary tena misy ny fanosihosena ny zon’olombelona. Midika izany fa resa-be fotsiny no nataon’ny fitondran’ny HVM tato anatin’ny herintaona latsaka kely, fitaka miaro fampandriana adrisa ary tena fanaovana tsinontsinona ny vahoaka malagasy efa tena trotraky ny krizy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT