Mitohy ny raharaha taorian’ny fahazoan’ny depioten’i Mahabo, Raveloson Ludovic na Leva, fahafahana vonjimaika.
Nahazo fampiatoana amin’ny asany ny “procureur general” sy ny “president de la cour d’appel” any Toliara. Araka ny fanadihadiana natao, ny tsy fanajana ny antanatohatra eny anivon’ny “parquet general” no antony. Araka ny nambaran’ny mpahay lalàna iray dia tsy misy fiantraikany amin’ny didy nivoaka intsony ny fampiatoana ireo mpitsara. Fanafainganana andrim-pitsarana taorian’ny fampiakarana ny raharaha no hany sisa azo atao, hoy izy. Eo amin’ny fiandrasana ny daty hitsarana azy i Leva eo amin’ny fitsarana ambony satria ny teo anivon’ny “chambre d’accusation” no nanome izay fahafahana vonjimaika izay. Raha tsiahivina, efa nisy baiko amin’ny fanomezana fahafahana vonjimaika tamin’ny fitantanan’ny minisitra teo aloha, Randrianasolo Jacques. Ny minisitra ankehitriny anefa dia nampiato ireto mpitsara ireto noho ny tsy fanajana antanatohatra. Avy aiza izany ny baiko nahafahan’ireo tompon’andraiki-pitsarana ao Toliara nanome izay fahafahana vonjimaika izay ? Efa nisy fotoana navoaka tahaka izao nambara fa manao asa ivelan’ny fonja (MOP) izy io, saingy naverina haingana tany am-ponja, dia iny navoaka iny indray. Raha ny vaovao azo tamin’iny faran’ny herinandro iny, dia tsy mbola hita popoka i Leva amin’izao fotoana ary efa nisy ny didy fampisamborana natao. Misy anefa ny karazana hetsika milaza fa saziana amin’ny safidy ny olona nifidy azy.
Miandry ny didin’ny HCC
Etsy an-kilany koa, miandry ny didin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny hanoloana ny depioite Hasimpirenena sy Leva ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nandefa taratasy any amin’ny HCC, ny 6 febroary lasa teo, ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine ny amin’ny hanondroana ireo izay hisolo an’ireo solombavambahoaka ireo. Samy tsy mbola nandingana ny tokonan’ny Antenimieram-pirenena, samy tsy niatrika fivoriana na in-dray mandeha aza nandritra iny taona 2019 iny, satria samy voatazona am-ponja fotoana fohy taorian’ny naneken’ny CENI ny firotsahan-kofidian’izy ireo. Notondroina ho toy ny nametra-pialana (démissionnaires d’office) izy roalahy ireo, araka ny taratasin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, noho ny tsy fiatrehana fotoam-pivoriana ara-potoana iray nefa tsy misy antony mazava. Ny HCC no manapa-kevitra sy manondro izay handray ny toeran’ny solombavambahoakan’i Fandriana sy ny an’i Mahabo eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.
Marigny A. sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.