Miharatsy hatrany ny fandriampahalemana eto Antananarivo Renivohitra, hoy i Todisoa, lehiben’ny vondrona mpanao reggae Rootsikalo.
Ny sabotsy nifoha alahady teo no nifanehitra tamina jiolahy teny Tsaralalana izy. Lasan’ireo mpanao ratsy ny vola tany am-paosiny rehetra, ny findainy, ny kara-panondrony ary ny santionan-kira ao anatin’ny rakikirany farany izay nanaovany fihenam-bidy goavana nandritra ny fampisehoana notanterahiny farany teo. Miharatsy ny firenentsika, hoy i Todisoa ka hiantsoany ny rehetra mba ho mailo. Nisaotra an’Andriamanitra izy satria velon’aina. Na izany aza anefa dia miantso ny governemanta mba handray ny andraikiny ny lehilahy ho fiarovana ny ain’ny mpiray tanindrazana. Amin’izao fitotongan’ny toekarem-pirenena misy eto amintsika izao mantsy dia mety amin’ny tsirairay avokoa na dia manendaka sy mamono olona aza mba hahazoany vola ary tsy mampaninona ny sasany akory ny mandatsak’aina na dia 1000 Ar monja aza no any am-paosin’ilay olona. Miantso ny fanjakana mba handray ny andraikiny i Todisoa ho tombontsoan’ny besinimaro.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.