Naverina indray ny andrimasom-pokonolona ao amin’ny Fokontany Anosiato Atsinanana, sektera III. Nifarana ny 16 janoary lasa teo mantsy ny fiambenana tanàna niarahana tamin’ireo vatan-dehilahy 21-45 taona rehefa naharitra 100 andro.
Mba hananan’ny mponina filaminan-tsaina kokoa anefa, indrindra fa ny vaky trano izay in-droa isan-kerinandro no isehoany dia nanapa-kevitra indray ny fokonolona fa hotohizana ny asa. Haharitra 100 andro indray ny andiany faharoa ka ireo tanora zazalahy tsy an’asa ao an-tanàna no nokaramaina mba hanatanteraka izany. 2.000 Ar isan-tokantrano no aloan’ny mponina manan-katao 300 amin’ny 450 isa ankoatra ireo malala-tanana izay nanolotra finday sy lampe de poche. Mandry fehizay ny mponina ankehitriny raha nitaintain-dava toy ny soabakaka ambodiriana teo aloha. Tsiahivina moa fa tao amin’ity Fokontany Anosizato Atsinanana ity avokoa teo aloha no tratra ireo karazan’entana halatra avy any amin’ny faritra hafa toa an’Alakamisy Fenoarivo, Ambohidratrimo…Efa nisy ihany koa ny fananganana vavahady telo ao amin’ny Fokontany hifitsinjovana ny mponina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.