Actualités

Tsy fanjarian-tsakafo Vahaolana ny famokarana ovy


  • Alatsinainy 04 Janoary 2016

Nisedra olana ny sehatry ny famokarana ovy tao anatin’ny roa taona hoan’ny faritra Vakinankaratra. Niova anefa ny zava-misy tamin’iny taona 2015 iny satria nitombo hatrany amin’ny 30% ny salan’isam-pamokarana.

 

Vahaolana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay miantoka ny 40%n’ny foto-tsakafon’ny mponina ao Antsirabe sy ny ireo distrika manodidina moa amin’izao fotoana izao ny vokatra ovy. Mandrafitra ny fidiram-bolan’ireo tantsaha mpamokatra kosa ny 60% ka sandaina 200 ariary ny kilao ankehitriny, araka ny angom-baovao voaray. Mifototra betsaka amin’ny famatsiana ny tsena anatiny ihany koa hatreto ireo mpamboly ovy izay manome vokatra 1.500 taonina isaky ny hektara. Mahatratra hatrany amin’ny 80 na ny 90%n’ny vokatra izany hoan’ny tontolon’ny fifanakalozana. Nolavin’ny vovonan’ireo tantsaha mpamokatra ovy ao Vakinankaratra rahateo ny fiaraha-miasa fanondranana ovy atsy amin’ny nosy Maorisy izay mamono antoka. 300 ariary monja mantsy ny kilao tamin’io fifanarahana nandamoka io raha tsy latsaky ny 800 ariary ny kilao any amin’ireo toerana hafa manerana ny nosy. Olana mbola mila vahana kosa ny halafon’ny masomboly izay vidiana 15.000 ariary ny kilao.

Nangonin-dRamano F. 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT