Actualités

Tsy fanjarian-tsakafo Tsy mivaha ny olana any atsimo


  • Alatsinainy 05 Septambra 2016

Araka ny antontanisa farany navoakan’ny FAO na ilay sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fanjarian-tsakafo dia ny kaominina Tsivory,

Elonty ary Mahaly ihany no hany azo leferina ny tahan’ny tsy fahampian-tsakafo ao aminy raha ny mikasika ny Distrikan’Amboasary Atsimo manokana. Io toe-draharaha io, raha ny fanazavan’ireo siantifika mpanadihady, dia hita tamin’ny fiakaram-bokatra tany an-toerana farany teo. Na izany aza, tsy mahasehaka loatra ny fiazonan’ain’ireo mponina amin’ireo kaominina hafa manodidina ny vokatra ao, araka ny tatitra voaray hatrany. Anisan’ny olana goavana tsy mbola nety voavaha efa an-taonany maro teto amin’ny firenena hatramin’izao ny resaka tsy fanjarian-tsakafo na dia efa maro aza ireo atrikasa sy hetsika natao hoentina hanoherana izany. Maro anefa ireo firenen-dehibe nitovy olana tamintsika efa nahavaha ny azy tao anaty fotoana fohy. Ohatra tamin’ireny ny Israelianina izay nametraka ny fantsona lehibe fitarihan-drano ary afaka namokatra legioma tany amin’ireo tany karankaina tany an-toerana. Efa tany amin’ny taona 1970 no nahitan’izy ireo sy nampiharany izany tetikasa izany.

Mirija  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT