Actualités

Tsy fanjarian-tsakafo Olan’ny tsy fandrindrana asan’ny mpitondra


  • Zoma 19 Febroary 2016

Mihoatra ny 50% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo miverimberina matetika eto Madagasikara noho ny tsy fahaizana mandrindra asa eo amin’ireo minisitera samihafa, hoy ny manampahaizana iraisam-pirenena momba ny sakafo Cheikh M.H. Dehah.

 

Antony iray  mampahantra ny Malagasy, ohatra, ny tsy fahafoizana dolara iray ho tohana ara-tsakafo ho an’ireo zaza 0 hatramin’ny 23 volana. Miteraka fatiantoka 30 dolara isaky ny ankizy moa io fanaovana ambanin-javatra ny sakafon-jazakely io, araka ny antontan-kevitry ny sampanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo, ny fambolena ary ny fiompiana. Mampihena ny fampandrosoana ara-toekaren’ny firenena iray hatrany amin’ny 8% ihany koa ny olan’ny tsy fahampiana ara-tsakafo. Tsy lazaina intsony ny tsy fahombiazana eo amin’ny lafiny fanabeazana. Mila vina vaovao miaraka amin’ny politika mifanaraka amin’ireo tanjon’ny fampandrosoana maharitra manerantany ny firenena Malagasy hametrahana ny filaminana ara-tsakafo, hoy ity manampahaizana avy amin’ny FAO nasain’ny governemanta Malagasy ity.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT