Nangataka fiaraha-miasa amin’ny mpanao gazety omaly ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Beni Xavier Rasolofonirina
, nandritry ny fifamindram-pahefana teo amin’ny sekretera jeneraly miadidy ny zandarimaria teo aloha, ny jeneraly Paza Didier Gerard sy ny vaovao, ny jeneraly Girard Andriavalisoa. Sarotra ny adidy sy andraikitra miandry ny tompon’andraikitry ny zandarimaria, hoy izy, satria hatreto dia lazaina ho diso, tsy nety daholo ary tsy nahafa-po ny Malagasy ny natao. Tsy mety afa-po isika malagasy ary sarotiny amin’ny resaka fandriampahalemana ka izay indrindra no angatahana fiaraha-miasa amin’ny mpanao gazety satria efa tsy vitan’ny basy intsony izy ity fa efa ny soatoavintsika izay mandala ny aina mihitsy no voakitikitika sy voahozongozona. Ny fananana anareo no ahafahanay manantateraka ny adidy sy andraikitray eo amin’ny lafiny rehetra hatramin’ny fiarovana ny harem-pirenentsika, hoy izy. Mba tsy ho firenena vitsy intsony anie no hisitraka ny harentsika fa mba hisokatra amin’ny firenen-kafa ankoatra ny efa nisy teto ny fiaraha-miasa ka mino aho fa halaky ny fampandrosoana ary ho tafapetraka ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ny nosy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.