Mampikaikaika ny Malagasy ny asan-jiolahy, saika manerana ny nosy io. Tsy mifidy hotafihina ireo jiolahy, eny fa hatramin’ny mpanompon’Andriamanitra aza lasibatra avokoa,
toa an’ity pretra iray miasa any Bemanonga – Morondava. Lasan’ny jiolahy ny vola an-tapitrisany tao aminy, naratran’ny daroka nataon’ireo jiolahy ny lohany. Tsy misy ahiana ny fahasalamany saingy fantatra izao fa notapahin’ny mpiara-miombon’antoka avy any Italia, niara-niasa taminy amin’ny fananganana fotodrafitrasa ara-tsosialy, toy ny sekoly tamin’iny faritra iny, ny fanampiana ara-bola noho io resaka tsy fandriampahalemana mahazo laka io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.