Actualités

Tsy fandriampahalemana Lasibatra hatrany ny any atsimo


  • Talata 16 Aogositra 2016

Ny faritra atsimon’ny nosy no manana mpitandro ny filaminana maro indrindra amin’izao kanefa dia anisan’ny tena lasibatra ihany koa amin’ny tsy fandriampahalemana raha mihoatra amin’ireo faritra hafa rehetra noho ny halatra omby mifanesy any an-toerana

. Hisy, araka izany, ny paikady vaovao izay miompana amin’ny fiombonan-kery hotanterahin’ireo sampana fitandroana ny fandriampahalemana 3 hiadiana amin’izy io. Ny polisy nasionaly, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Paza Didier, no misahana io lafiny io ho an’ny tanàn-dehibe ary ny zandarimariam-pirenena kosa no miandraikitra azy any ambanivolo. Manampy koa ny tafika malagasy, indrindra ho an’ny ambanivohitra. Izay firaisankina izay no tena ilaina hahafahan’ny vahoaka hiadana sy hamokatra tsy amin-tebiteby intsony noho ny afitsoky ny dahalo. Notoloran’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina lelavola ho fankaherezana azy, ireo zandary any atsimo ary dia nampitomboina ihany koa ny isan’izy ireo. Hisy ny famaritana ny tomban’ezaka hatao afaka 3 volana ary hisy koa ny fitsidihana hatao any amin’ireo faritra mena toa an’i Sakaraha sy ankazoabo amin’ny faran’ity herinandro ity.

Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT