Anisan’ny olana fototra lehibe manakana ny fampandrosoana eto Madagasikara ny tsy fandriampahalemana.
Azo atao tsara anefa ny mampandry ny filaminana eny anivon’ ny fiarahamonina Malagasy, araka ny hevitry ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra miaraka amin’ny «Organisation de la Société Civile ar. Hisantarana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta hamerenana indray ny fahalemana ary ny fampiharana ny paikady «10 tafo» efa nahitam-bokatra tsara tany amin’ireo firenena mandroso tahaka an’i Afrika Atsimo sy Singapour. Hanombohana ny hetsika «andrana» ireo fokontany 15 voatsonga ao amin’ny boriborintany voalohany eto an-drenivohitr’i Madagasikara. Hiara-kisalahy amin’ny fanatanterahana ny asa kosa ny sefo fokontany miaraka amin’ireo antsoina hoe «MasoIvohom-Pokonolona» eny ifotony izay hahazo tantsoroka avy amin’ireo mpiasan’ny CUA nahazo fiofanana manokana. Tanjon’ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny firaisamonim-pirenena Oscar ny hanome hasina sy fampandraisana andraikitra ny fokonolona.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.