Mampivarahontsana ny zava-mitranga ao Toamasina tato ho ato. Taorian’ireo tranga fakana an-keriny nisesy tamin’ny taon-dasa iny, dia ny vono olona feno habibiana,
kapakapaina amin’ny zava-maranitra indray izao no mihamahazo vahana. Nisesy mihitsy izy tato ho ato. Ny talata teo dia vehivavy efa voarasarasa no nisy nanary tao Salazamay. Raiki-tahotra hatramin’ireo vehivavy mpivarotena, ka nisy nanapa-kevitra ny tsy hivoaka alina aloha mandrampaha, taorian’ny nahitana io tranga nampivarahontsana an’i Toamasina iray vohitra io sy ireo nahita izany tamin’ny fahitavitra sy ny tambajotran-tserasera toy ny facebook. Ny alarobia, ampitson’io, indray dia lehilahy nitondra moto scooter no nisy nikapa tamin’ny antsibe ny hatotanany an-kavanana ka tapaka tanteraka. Tao Andranomadio parcelle no nitrangan’izany amin’ny andro amin’ny valo ora alina, tao anaty haizin’ny delestazy. Tsy azon’ny saina eritreretina ny hoe mbola Malagasy ihany ve no mahavita an’izany ? Sao mba efa ao Toamasina ny Daech na ry zalahy Etat Islamique e ? Dia inona no fandraisan’andraikitra ataon’ny Fanjakana fa toa mihainohaino fotsiny no fahitan’ny olona azy ? Sarotra ny hino fa tsy hitan’ny mpitondra indrindra ny mpitandro ny filaminana ireny trano fijerena « vidéo » ireny izay mandefa horonantsary mamoafady miharo heritsetra nefa dia jerem-potsiny. Matetika anefa dia avy amin’ireny no miteraka ny fankampanahy mampirongatra ny herisetra, miharo ny fidorohana zavamahadomelina izay mihanaka etsy sy eroa. Mety hisy fiantraikany amin’ny sehatry ny fizahantany izao tranga tsy fandriampahalemana mahazo vahana ao Toamasina izao. Ho avy anefa ny fetin’ny Paska ary lavalava ny faran’ny herinandron’ny Paska amin’ity satria hitohy ny 29 martsa ny andro tsy fiasana. Mety hampihemotra ny mpitsangantsangana hihazo an’i Toamasina izao vono olona feno habibiana sy fakana an-keriny nisesy tao an-toerana izao, raha tsy misy fandraisana andraikitra haingana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.